Fiantsoana fisoratana anarana MVCM 2014   publié le 30/09/2013


Fiantsoana fisoratana anarana MVCM 2014

Mpanakanto Malagasy mandeha irery na tarika ianao ? Maniry ny hisongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ? Manana ny hiranao manokana ?

Libertalia-Music Records,  izay orinasa miandraikitra ny famokarana sy ny fampivelarana ny mpanakanto malagasy eo amin’ny sehatry ny mozika dia manana ny-tanjony amin’ ny fahampafantarana azy ireo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

 

 

« Madagascar, Voyage au Cœur de la Musique » Dia hetsika miavaka noho ny fanafarana manokana vahiny Eropeana sangany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena misahana ny fandraharahana amin’ny lafiny mozika. Anisan’izany ny tompon’andraikitra mahakasika ny fikarakarana hetsika momban’ny mozika sy mpanao gazety ary mpiserasera maro karazany

Ireo mpanakanto voafidy dia hanolotra fampisehoana maharitra 30 minitra.

Ny  andiany voalohany tamin’ny hetsika dia natao tamin’ny faha 7, 8, 9 martsa 2013. Ny andiany faharoa dia hatao ny faha 28 febroary, ny 1 sy 2 martsa 2014 ho avy izao.

Atero ao amin’ny biraon’ny Libertalia-Music Records, Lot IIB42 Mandrosoa Ambohijatovo (ambanin’ny fiangonana advantista) na alefaso amin’ny assist@libertalia-music.com ny :

Horonan-tsary (an-tsehatra na tsy an-tsehatra)

Horonam-peo

Sary sy ny mombamomba ny tarika (lalalana nodiavina tamin’ny sehatry ny mozika)

 Fetr’andro farany fanaterana ny antontan-taratasy : 15 Jolay 2013


Commentaires

Votre commentaire